Aller au contenu

Mamelòka

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Mameloka)
Mameloka egiptiana manao fitafiana mahazatra (taona 1778).

Ny Mamelòka dia mpikambana ao amina milisin' andevo afaka, manam-piaviana tsy mozilmana, nanompo ny mpitondra mozilmana samihafa, milisy izay nandray ny fahefana imbetsaka. Izy ireo dia avy amin' ny vahoaka tsy arabo, indrindra ny Tiorka, ny Kaokaziana, ny Eorôpeana Tatsinanana ary ny Eorôpeana Tatsimo Atsinanana) izay andevo mpikarama an' ady, andevo miaramila, ary andevo nahazo fahafahana ka nomena andraikitra ara-miaramila sy ara-pitantanana ambony, nanompo ny Arabo mpitondra sy ny tarana-mpanjaka ôtômana ao tamin' ny Tontolo Mozilmana. Imbetsaka izy ireo no nandray ny fitondrana.

Atao hoe مملوك / mamlūk (raha tokana) na مماليك / mamālīk (raha maro) izy ireo amin' ny teny arabo, izay azo adika ara-bakiteny hoe "olona fananana", ka midika hoe "andevo", fa amin' ny teny tiorka kosa dia Memlüklüler.

Ny fanjakan' ny Mameloka naharitra indrindra dia ny kilasin' ny miaramila mpitaingin-tsoavaly tamin' ny Andro Antenatenany tao Ejipta, izay nipoitra avy amin' ny laharan' ny miaramila andevo. Tany am-boalohany dia andevo tiorka avy any amin' ny Fatrana Eoraziana ny Mameloka, saingy niely ny fampiasana andevozana miaramila ka nahitana ny Tsirkasiana, ny Abkaziana, ny Jeôrjiana, ny Armeniana, ny Rosiana ary ny Hongroà, tao koa ny olona avy any amin' ny Balkana toa ny Albaniana, ny Grika, ary ny Slava Atsimo (jereo Sakaliba). Nandray olona avy amin' ny Ejipsiana koa izy ireo. Ny Mameloka dia nanana ny lanjany ara-pôlitika lehibe; voalohany indrindra, dia naharitra efa ho 1 000 taona izany, hatramin' ny taonjato faha-9 ka hatramin' ny taonjato faha-19.

Rehefa nandeha ny fotoana dia lasa kilasin' ny miaramila mpitaingin-tsoavaky mahery ny Mameloka tamin' ny fiarahamonina silamo isan-karazany izay nofehezin' ny mpitondra tao amin' ny tarana-mpanjaka arabo. Tany Ejipta sy Siria indrindra, ary koa tany amin' ny Empira Ôtômana, tany Ampiposahana, tany Mesôpôtamia, ary tany India, ny Mameloka dia nanana fahefana ara-pôlitika sy ara-tafika. Amin' ny toe-javatra sasany dia nahazo ny laharan' ny soltana izy ireo, fa tamin' ny hafa kosa dia nitana ny fahefana isam-paritra ho emira na bey. Ny ankolafy mameloka dia nisambotra ny soltanata izay nanana ny foibeny tany Ejipta sy tany Siria, ary nifehy sy nanova azy ho Soltanata Mameloka (1250-1517). Ny Soltanata Mameloka dia nandresy ny Ilkanata môngôly tamin' ny ady tao Ain Jalut. Niady tamin' ny mpanao kroazada kristiana avy any Eorôpa Andrefana izy ireo teo aloha tamin' ny taona 1154-1169 sy 1213-1221, ary nandroaka azy ireo avy ao Ejipta sy avy ao Ampiposahana. Tamin' ny taona 1302, ny Soltanata Mameloka dia nandroaka ny mpanao kroazada farany avy ao Ampiposahana, ka namarana ny vanim-potoan' ny Kroazada.

Raha novidina ho fananana ny Mameloka, dia ambony noho ny andevo tsotra, izay tsy navela hitondra fitaovam-piadiana na hanao asa sasany, izy ireo. Tany amin' ny toerana maro toa an' i Ejipta dia noheverina ho "tena tompo" sy "tena mpiady" ny Mameloka, nanomboka tamin' ny tarana-mpanjaka aiobida ka hatramin' ny andron' i Muhammad Ali any Ejipta, ary manana sata ara-tsôsialy ambony noho ny mponina tao Ejipta sy tany Ampiposahana amin' ny ankapobeny. Toy ny mpikarama an' ady andevo izy ireo, raha lazaina amin' ny teny hafa.