Oranosy (planeta)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Oranosy)
Ny fajiry Oranosy.

I Oranosy (marika: ⛢) dia fajiry na planeta fahafiton' ny Masoandro. Faha telo amin' ny hangeza ary fahefatra amin' ny lanja izy. Avy amin' ny anarana grikan' ny andriamanitry ny lanitra Oranôsy (Οὐρανός / Ouranos) ny anarany, ny ray Krônôsy (na Satiorna) ary dadaben' i Zeosy (na Jopitera). I Oranosy no fajiry voalohany hita tamin' ny andro môderna. Na dia hita maso ohatra ny fajiry dimy tsotra aza izy, ny tondro ara-pajiriny dia tsy fantatra tsara noho izy zara fa manjelatra (hazavana anelanelan' ny 5,3 sy 5,7 na manodidin' ny 6). Nilaza ny fahitany i William Herschel tamin' ny 13 Marsa 1781. I Oranosy no fajiry hita voalohany tamin' ny teleskôpy.

I Oranosy sy i Neptiona dia fajiry manana laha-tombo samihafa amin' ny fajiribe tahaka an' i Jopitera sy i Satiorna. Sokajîn' ny astrônôma anaty sokajy manokana izy: fajiry mivaingana (planetan-dranomandry), na zana-pajiribe (sous-géantes). Ny atmôsferan' i Oranosy, na dia misy hidirôzenina sy heliôma aza, dia misy ranomandry, amôniaka, metanina, ary hidirôkarbiora. Amin' ny fajiry rehetra an' ny Masoandro, i Oranosy no manana soson-drivotra mangatsiaka indrindra, ny hatsiaka farany ambany indrindra dia 49 K (-224 °C), any amin' ny trôpôpaozy (haambo 56 km sy 0,1 bar). Manana rafi-drahona larolaro izy: misy rano ny rahona any amin' ny sosona ambany, ary misy metanina any amin' ny sosona ambony.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Miteny frantsay[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.