Fôna (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fôna na Dahômeana no vondrom-poko ara-piteny lehibe indrindra ao Benîno (tombanana ho 3 500 000 eo ho eo ny fitambaran' ny mponina ao aminy, 39,2 % amin' ny fitambaran' ny mponina) na mihoatra ny 4,1 tapitrisa amin' izao fotoana izao (anisan' izany ny mponina mpihavana aminy). Ankoatry ny Fôna tena izy, indrindra any amin' ny tapany atsimon' i Benîno izay maha maro anisa azy ireo, dia misy vondron' olona maro niorim-ponenana indrindra ao Tôgô (ao amin' ny faritra Atakpamé) sy ao amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Nizerià. Atao hoe Dahômey na Jejy na Fôngbe na na Radà na Agaja koa izy ireo. Izy ireo dia vahoaka miteny amin' ny karazam-piteny gbe, dia ny fiteny fôna.