Kabie (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Fanamian' ny mpandihy nentim-paharazana kabie

Ny Kabie dia vahoaka any Afrika Andrefana hita indrindra any amin' ny tapany avaratr' i Tôgô sy Benîno ary Ganà. Ny Kabie dia fantatra indrindra amin' ny fambolena am-parafaran-tany (mifanao ambaratonga) any amin' ny tendrombohitra Kabyés (tandavan-tendrombohitra Atacora). Ny teny hoe Kabyè dia midika hoe "tantsahan' ny vato" noho ny tany amboleny izay akan' ireo mpamboly ireo vato maro nanaovana ny rindrin' ny farafaran-tany.

Tena manankarena ary mbola manan-danja tokoa ny kolontsaina kabie amin' izao fotoana izao noho ny fonenany nentim-paharazana, ny fombafomba fanaony amin' ny sokajin-taona samihafa (tolona, ​​fetiben' i Chicote, ny Waa, dihin' ny virijina, sns.).

Avy amin' io foko io i Gnassingbé Eyadema, filohan' ny Repoblikan' i Tôgô teo aloha.