Tolagnaro

Avy amin'i Wikipedia

25°01′57″S 46°59′00″E / 25.032490°S 46.983290°E / -25.032490; 46.983290

Tolagnaro
Velarantany 31,17 km2
Isam-ponina 67 284 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna NC
Firenena  Madagasikara
Faritany Toliara
Faritra Faritra Anosy

I Tolagnaro na Fort-Dauphin dia kaominina malagasy ao amin' ny Distrikan' i Tolagnaro, ao amin' ny Faritra Anosy ao amin' ny Faritanin' i Toliara eto Madagasikara, tanàna renivohitry ny Faritra Anosy any amin' ny tendro atsimo-atsinanan' i Madagasikara. 1 122 km any atsimon' Antananarivo no misy azy. Manana toeram-pitsangantsanganana maro sady tsara i Tolagnaro.

Anaran' ilay tanàna[hanova | hanova ny fango]

Ireto avy ny mety hanorantana na hanononana ny anaran' io tanàna io: Tolagnaro, Tolañaro, Tolanaro, Taolagnaro, Taolañaro, Taolanaro, Tôlagnaro, Tôlañaro, Tôlanaro, Fort-Dauphin, Faradofay, Faradifay, Farady.

Jeôgrafia[hanova | hanova ny fango]

Toerana misy azy[hanova | hanova ny fango]

Toerana misy an' i Tolagnaro eto Madagasikara

Any amin' ny 620 km miala an’ i Toliara no misy azy ary eo amin’ ny 1 122 km miala an' Antananarivo. Mifandray amin' Antananarivo amin' ny alalan' ny lalam-pirenena faha-7 sy faha-13 (Antananarivo – IhosyBetrokaAmbovombe – Tolagnaro) ity kaominina ity. Azo atao ihany koa ny manaraka ny lalam-pirenena faha-13 sy faha-10 avy any Toliara (Toliara - Betioky - Ampanihy - Beloha - Ambovombe - Tolagnaro). Noho ny fisian' ny lalam-pirenena faha-12a dia afaka mifandray amin' i Vangaindrano, izay any amin' ny ilany atsinanan' ny Nosy, koa i Tolagnaro. Tsy azo aleha anefa io lalana io mandritra ny vanim-potoan' ny orana.

Toetany[hanova | hanova ny fango]

Ny rotsak' orana any Tolagnaro dia 1 700 mm eo ho eo, noho ny tendrombohitra manakana ny rivotra mandro any andrefan' ilay tanàna. Noho izany, maitsomaitso kokoa noho ny faritra manodidina ny tanin' i Tolagnaro. Ny salan-kafanana any dia 23 °C ary miakatra hatrany amin' ny 26 °C na midina hatrany amin' ny 20 °C arakaraka ny volana.

Farihin' i Lanirano

Vohon' ny tany[hanova | hanova ny fango]

Ny tanànan' i Tolagnaro tazanina avy eny an-tendrombohitra

Ny Pic Saint Louis no tendrombohitra avo indrindra ao Tolagnaro, ary any avaratry ny ny tanàna no misy azy.

Fitantanana[hanova | hanova ny fango]

Ny tanànan' i Tolagnaro no renivohitry ny Distrikan' i Tolagnaro sy ny Faritra Anosy. Iray amin' ny kaominina miisa 25 mandrafitra ny Distrikan' i Tolagnaro ny kaominina ambonivohitr' i Tolagnaro. Ao no ahitana ny fitaleavam-paritra miankina amin' ny ministera samihafa, izay endrika isehoan' ny fanapariaham-pahefana any amin' ilay faritra.

Mponina[hanova | hanova ny fango]

Ny faritan' ny Tolagnaro dia onenan' ny foko antanosy. Tamin' ny fanisana tamin' ny 1975 dia 19 605 ny isan' ny mponina tao Tolagnaro. 30 690 izany tamin' ny taona 1993 ary 39 000 tamin' ny taona 2001. Tamin' ny taona 2010 dia 46 000 ny isan' ny mponina ao Tolagnaro.

Toekarena[hanova | hanova ny fango]

Fitaterana[hanova | hanova ny fango]

Seranam-piaramanidin' i Tolagnaro

Mifandray amin' Antananarivo amin' ny alalan' ny lalam-pirenena faha-7 sy faha-13 (Antananarivo – IhosyBetrokaAmbovombe – Tolagnaro) ity kaominina ity. Azo atao ihany koa ny manaraka ny lalam-pirenena faha-13 sy faha-10 avy any Toliara (Toliara - Betioky - Ampanihy - Beloha - Ambovombe - Tolagnaro). Noho ny fisian' ny lalam-pirenena faha-12a dia afaka mifandray amin' i Vangaindrano, izay any amin' ny ilany atsinanan' ny Nosy, koa i Tolagnaro. Tsy azo aleha anefa io lalana io mandritra ny vanim-potoan' ny orana.

Saro-dalana ny tanànan' i Tôlagnaro. Ny seranam-piaramanidina, izay ao andrefan' ilay tanàna, dia mampifandray tsy tapaka amin' Antananarivo renivohitra. Vao tsy ela akory izay dia nisy ny fifandraisana ana habakabaka tsy tapaka amin' i Saint-Denis ao La Réunion.

Harena an-kibon' ny tany[hanova | hanova ny fango]

Na dia eo aza ny fisian' ny akora fanodina maro ao amin' ny faritra manodidina an' i Tolagnaro dia maro no mbola tsy voatrandraka firy (vatosoa, baoksita, titanina).

Seranan-tsambon' Ehoala

Na izany aza, ny fitrandrahana ilmenita (akora ahazoana ny titanina) nataon' ny orinasa kanadianina QIT Madagascar Minerals (QMM), sampan' ny Rio Tinto, ao amin' ny toeram-pitrandrahana ao Mandena, dia nitarika ny fanamboarana ny lalana ahafaha-miditra ao Tolagnaro sy ny seranan-tsambon' i Ehoala an-drano lalina any amin' ny 10 km atsimon' ilay tanàna, izay nisokatra tamin' ny taona 2009, any akaikin' ny seranam-piaramanidin' i Tolagnaro.

Fanafarana sy fanondrana[hanova | hanova ny fango]

Seranan-tsambo tranainy

Ny seranan-tsambo tranany ao Tolagnaro dia vavahady misokatra amin' izao tontolo izao, izay ampiasaina voalohany indrindra amin' ny fanondranana langosta sy drakaka ary ahidrano maina. 75 km miala an' i Tolagnaro, manodidina an' Amboasary-Atsimo, misy toeram-pambolena taretra maro, izay aondrana ao amin' ny seranan-tsambon' i Tolagnaro.

Fanjonoana[hanova | hanova ny fango]

Ny fanjonoana langosta koa dia tena be mpanao any amin' ilay. Misy orinasa mpanondrana langosta betsaka mankany Eorôpa sy Azia ny any.

Fizahan-tany[hanova | hanova ny fango]

Torapasik' i Libanona

Anisan' ny hetsika goavana eto Tolagnaro ihany koa ny fizahantany. Manana trano fandraisam-bahiny vitsivitsy koa ilay tanàna.

Helodrano ao Tolagnaro

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Renivohi-paritany eto Madagasikara

Renivohi-paritra eto Madagasikara

Samihafa

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]