Fiteny ao Tôgô

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny ao Tôgô dia maro, mahatratra 44 ka hatramin' ny 53,araka ny fanisana. Ny fiteny ôfisialy dia ny fiteny frantsay. Tamin' ny taona 1975 dia nosafidian' ny governemanta notarihin' ny filoha Eyadéma ho fitenim-pirenena ny fiteny teratany roa - dia ny fiteny eve (na fiteny eoe) sy ny fiteny kabie, midika izany fa ampandrosoina ao amin' ny fampianarana ara-dalàna sy amin' ny fampitam-baovao izy ireo. Ireo tenim-pirenena roa ireo dia matetika ampiasaina any amin' ny faritra ka ny fiteny eoe dia ampiasaina any atsimo manomboka any Lomé ka hatrany Blitta, fa ny fiteny kabie kosa avy any Blitta ka hatrany Dapaong any avaratra.*

Fiteny vahiny[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny frantsay[hanova | hanova ny fango]

Firenena miteny frantsay i Tôgô. Araka ny tatitry ny Office de la langue française (OLF) tamin' ny taona 2018 dia 40 % amin' ny mponina ao Tôgô no miteny frantsay. Tamin' ny taona 2023 dia olona 3,7 tapitrisa no miteny frantsay amin' ny 9,1 tapitrisa (40,94 %).

Ny fiteny anglisy[hanova | hanova ny fango]

Niditra tao amin' ny Commonwealth i Tôgô tamin' ny volana Jona 2022. Talohan' ny nidirany tao amin' ny Fivorian' ny Lehiben' ny Governemanta Commonwealth tamin' ny taona 2022 dia nilaza ny minisitry ny Raharaham-bahiny Robert Dussey fa nanantena ny maha mpikambana ao amin' ny Commonwealth izy mba hanome fahafahana ho an' ny olom-pirenena tôgôley hianatra teny anglisy sy hahazo loharanom-panabeazana sy kolontsaina vaovao. Nanamarika ihany koa izy fa nikatsaka ny hanamafy fifandraisana akaiky amin' ny tontolon' ny teny anglisy ilay firenena.

Fiteny teratany[hanova | hanova ny fango]

Misy fiteny 53 ao Tôgô, anisan' izany ny fiteny minà (na fiteny gena, fitenim-paritry ny fiteny eve ampiasaina ao Lomé) izay lingua franca ho an' ny tapany atsimon' ilay firenena, sy manerana ny firenena manontolo: ny fiteny môba, ny fiteny tema ary ny fiteny folany.

Mizara roa ny fitenin-drazana ao amin' ilay firenena: ny vondrom-piteny gora any avaratra sy ny vondrom-piteny koà any atsimo. ny fiteny eoe no fampiasa indrindra any atsimon' i Lomé any Blitta ary ny fiteny kabie any avaratra.