Fiteny kabie

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny kabie dia fiteny gora ampiasaina indrindra any amin' ny tapany avaratr' i Tôgô. Fitenin' ny vahoaka Kabie izy io. Ny taonjato faha-20 dia nahitana fifindra-monin' ny Kabie be dia be tany Tôgô afovoany sy atsimo ary tany Ganà sy Benîno.

Araka ny filazan' ny biraon' ny antontan' isa ao Lomé dia maherin' ny 23 % amin' ny mponina Tôgôley ny mpiteny kabie. Ny Ethnologue, mifototra amin' ny tatitra SIL tamin' ny taona 1998, dia manombana fa ny vahoaka Kabie dia mahatratra 700 000 amin' ny mponina ao Tôgô ary 30 000 any ivelany. Raha ampiana ny tahan' ny fitomboana isan-taona ho an' i Tôgô, izany hoe 3,2 % isan-taona, dia mety nahatratra 1,2 tapitrisa ny Kabie mandritra ny taona 2014.

Ny fiteny kabie dia iray amin' ny fitenim-pirenena roa ao Tôgô (miaraka amin' ny fiteny eve). Ao amin' ny tontolo tôgôlay amin' izao fotoana izao, ny hoe "fitenim-pirenena" dia fiteny ampandrosoina ao amin' ny haino aman-jerim-pirenena sy, any amin' ny sekolim-panjakana, dia atolotra ho taranja azo isafidianana ao amin' ny kilasy faha-4 sy faha-3 ho fanomanana ny Brevet d'études du premier cycle (BEPC).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]