Eve (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Mpanakanto mozika eve any Tôgô

Ny Eve na Eoe dia vahoaka any Afrika Andrefana, miorim-ponenana indrindra any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Ganà, izay misy 6 tapitrisa amin' izy ireo, sy any amin' ny tapany atsimon' i Tôgô (manodidina ny 3,1 tapitrisa), ary koa any amin' ny tapany atsimo-andrefan' i Benîno (600 000), ary Nizerià. Any Tôgô, ny tanànan' i Notsé dia heverina ho tanàa nipoiran' ny Eve. Miteny eve, izay fiteny anisan' ny fiteny gbe, ao amin' ny vondrom-piteny vôltaika-nizeriana, izy ireo

Mifandray amin' ny mpiteny gbe hafa toa ny Fôna, ny Gena, ny Fla-Fera, ny Ôgona-Gona, ny Maksy, ary ny Aja any Tôgô sy Benîno izy ireo.